Lanonana ara-kolontsaina maroloko no natao, ny alakamisy 22 desambra 2022, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nisy ny famoahana ny boky mirakitra ny tantaram-piainan-dRamampy Pierre sy ny an’i Eugene Lechat. Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatina Rakotondrazafy Andriatongarivo no nitarika ny lanonana. Tonga nanotrona izany ireo olo-manan-kaja maro sy tale isan-tsokajiny eo anivon’ny minisitera tantaniny. Nanome voninahitra izany lanonana izany ihany koa ny fianakaviana sy ny naman’i Pierre Ramampy sy Eugene Lechat. “Miezaka ny minisitera manampy ny mpanoratra sy mpanonta boky, hamerenana ny fitiavan’ny olona boky indray mba ho tombontsoan’ny rehetra”, hoy ny minisitra. Nahatratra 15 ny boky vaovao navoaka ary natolotra ho fananan’ny Tranombokim-pirenena tamin’ity taona ity. Tanjona amin’izao ny hamerenana ny hasin’ny boky manoloana ny fanatontoloana sy ny firoboroboan’ny teknolojia. Fahalalana maro no omen’ny boky ho an’ny mpamaky azy. Ilaina ny mamaky boky, indrindra ho an’ny tanora, ahafantarana ny tantara sy ny kolontsain’ny firenena. “Tokony fantatrao ny tantara sy ny kolontsainao, ahafahanao mifanakalo amin’ny hafa. Fototra iray ahazoana izany ny boky”, hoy i Michel Simeon, mpampianatra sy mpanoratra boky.
“Rariny loatra raha raketina avadika ho boky ny tantaran’ireto olomanga roa ireto, ho fantatry ny taranaka aty aoriana sy ho fakan-tahaka ho azy ireo”, hoy i Marie-Zénaide Ramampy Lechat, zanak’i Pierre Ramampy ary vadin’i Eugene Lechat. Olona roa samy manana ny maha izy azy ary fakan-tahaka tokoa. Voarakitra ao anatin’ny boky avokoa ny fiainan’izy ireo, indrindra ny zava-bitany teto Madagasikara. Asongadina ao ny fahafoizana ho an’ny firenena sy ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana nataon-dRamampy Pierre sy Eugene Lechat. “Tanjona amin’ny fanoratana ny boky, ny hampahalalàna ny taranaka aty aorina ny soa sy ny tsara vitan’ny razambe, ho fakan-tahaka ho azy ireo.” Hoy i Michel Simeon.
Lin