Iray amin’ireo firenena nampidiran’ny vazaha ny atao hoe « finoana » ny teto Madagasikara. Nanara-dia tao anatin’izany avokoa rehefa fepetra mety hampitoetra maharitra ny « resa-pinoana ». Anisan’ireny ny anaran’ny finoana, ny fombafomba fanao, sns. Samy nandray izay naharesy lahatra azy ny Malagasy… Nanomboka teo, zavatra maro no niova !
Anisan’ny fitaovam-piadiana iray mahery vaika nialoha lalana ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny « finoana ». Nampifamatorin-dry zareo tamin’ireo zava-misy, toy ny kolontsaina, fomba amam-panao, sns, tany amin’ireo tany norobainy sy nanjakazakany io « resa-pinoana » io. Ny Malagasy nahalala ny fisian’Andriamanitra Andriananahary, na Zanahary, sy izay iantsoany Azy, nanjary nivadika ho « finoana » izany. Ilay « fahalalana », nivadika ho « finoana » ! Zava-doza goavana be teo amin’ny Malagasy ny fiantraikan’izany. « Finoana », fototeny « ino » ? Izany hoe, zavatra na tranga tsy hitan’ny maso na natrehin’ny tena kanefa itompoana teny fantatra fa : « io no izy » !
Na natsofoky ny mpanjakazaka an-tanin’olona teto na tsia, ohatra, ny Noely (na ilay lazainy fa fotoana nahaterahan’ny Mpamonjy), nivavaka sy nahalala an’Andriamanitra ny Malagasy. Ny an’ny Malagasy tsy finoana fa fahalalana ny fisian’Andriamanitra eo an-tampon’ny loha. Vokatr’izay, nitandrina mafy sy nanaraka ny lamina voajanahary fatratra ny Malagasy. Noho ny fahalalan’ny Malagasy fa eo an-tampon’ny lohany Andriamanitra, na ny tainomby nivadika aza tsy sahiny nentina satria fantany fa toetra tsy mendrika an’Ilay Nahary azy ny mangalatra.
Nivavaka teny amin’ireo toerana manana hasina izy. Nohajainy fatratra ireo fadin’ireny toerana ireny mba tsy ho faty hasina. Navadiky ny mpibodo tanin’olona ho « finoana » indray izy ireny. Tsy vitsy ireo Malagasy vosarika ka nanaiky fa « finoanoam-poana » ny fanajana ny fady ! Vokany, saika maty hasina ny ankamaroan’ireo toerana masina eto Madagasikara. Ahiana hihanaka manerana ny Nosy izany, raha tsy mitandrina !
Niova lalana ny Malagasy sasany
Nodontoana nandritra ny taona maro ny Malagasy ka nisy ny niova lalana. Nanjary tsy nahatandrina ny fady (fadim-pianakaviana, fadim-piarahamonina, fadin-drazana, fadin-tany…) intsony. Nanjary tsy nataho-tody intsony. Niova dika ny « mivavaka » ka lasa « miangona » satria efa nisy ny trano fiangonana. Voazarazaran’ny « finoana » ny Malagasy sasany ka vaky tsy afa-mifanohana sy mifanampy intsony. Very ilay firaisankina nananana teo aloha !
Niteraka tahotra teny antsefatsefany teny io fiovana lalana io. Tsy ilay Andriamanitra eo an-tampon’ny loha intsony no hatahorana fa « zavatra hafa ». Hoy ny Malagasy, « ny Razan-ko ela no lasa Zanahary ». Nanjary diso teo anatrehan’ny sasany io ka nosoloin’izy ireo zavatra tsy fantany akory satria izay ilay « finoana ».
Tao anatin’ny taona maro, mandeha an-jambany fotsiny ny Malagasy sasany satria tsy ao aminy intsony ilay fahalalana. Hadinony fa na tsara na ratsy ny atao, manody avokoa. Ataony tsinontsinona ny fahalalana fa manana ny lamina voajanahary sahaza azy ny Malagasy ka tsy tokony hilohaloha ny an’ny hafa. Nezahina nadikadika fahatany tamin’ny fiteny malagasy ireo voambolana vahiny isan-karazany mba hambabo fo satria ny « Malagasy, hono, olon’ny fo ». Ry zareo mpibodo tanin’olona no niteny an’io satria noheverin-dry zareo fa vokatry ny fampiasana ny fo no mahatonga ny Malagasy tsy hamono olona, tsy ho be « politika », sns, fa tsy noho ny fahalalana fa misy Andriamanitra, ny tody, ny tsiny, sns ! Vanim-potoana ankehitrio, mbola lany andro mitady ny very ny Malagasy. Vokany, tsy afa-mandroso !
HaRy Razafindrakoto