Nanokatra ny fankalazana ny faha-20 taona, tao amin’ny fiangonana FJKM Atsimon’i Mahamasina, ny sekoly ambony ESTIIM*, najoro ny 10 oktobra 2002. Tamin’ny 21 desambra 2022 teo koa, namoaka ny Andiany « Manjaka », miisa 141 io sekoly io, manomboka amin’ireo manana mari-pahaizana DTS ka hatramin’ny Master 2. Mamaly ny tinady miompana amin’ny taranja be tolotrasa ny lalam-piofanana arahina toy ny fitantanana, varotra, lalàna, fizahantany, informatika, ary vao nosokafana ny serasera. Nosafidina ireo lalam-piofanana ireo, satria be mpitady na ho an’ny fanjakana na tsy miankina.
Ny Andiany « Manjaka », ahitana ny efa eo am-perinasa, ankoatra ireo eo am-piandrasana tsy ela ny ho fananany asa, ka hahita ny sahaza azy. « ESTIIM dia tsy miankina amin’ny fanjakana, toy ny tompona orinasa rehetra, misy fotoana mandalo fahombiazana, misy fotoana mandalo krizy fa io sekoly ambony io hatramin’izay, saika nandalo fotoan-tsarotra hatramin’ireny Covid ireny. Na izany aza, tanteraka daholo ny fampianarana natao tao, nandritra izay 20 taona izay”, hoy Andrianadison, tale mpitantana.
Nampiroborobo ny fampianarana ambony teto Madagasikara nyfisian’dry zareo, efa namoaka mpianatra maherin’ny 3000 izy hatramin’izay. Toy ny orinasa rehetra tsy miankina, misy fotoana mandalo fahombiazana, misy fotoana mandalo krizy. Raha io sekoly ambony io hatramin’izay, saika nandalo fotoan-tsarotra hatrany, indrindra nandritra ireny Covid ireny. Na izany aza anefa, tanteraka daholo ny fampianarana natao, sady mamaly ny ankamaroan’ny tolotrasa miovaova isan-taona.
“Manjaka”
« Anarana nosafidin’ny mpianatra ny hoe “Manjaka”. Mitodika kokoa amin’ny ara-pinoana izy ireo, ka mahatsapa fa Andriamanitra no manjaka amin’izay atao fa tsy ry zareo mpianatra akory », hoy Andriamatoa Tale. Ny 20 taona manaraka dia hatao ho fanatsarana hatrany ny fampianarana, fananganana tranon-tsekoly efa nambara dimy taona lasa. Ny tany efa azo eo amin’ny 67 ha, fa mety ho tanteraka amin’ny 2023 izay fananganana foto-drafitrasa izay.
Ndrina