Vao miresaka atsimon’ny Nosy dia mby ao an-tsaina ny hanoanana sy ny haintany. Efa mivadika anefa ny rasa ankehitriny. Vao miandoha ny fahavaratra, efa mikija ny orana. Miakatra izaitsizy ny rano, mandrakotra tanàna maro. Manomboka misy ihany koa ny lalana tapaka, toy ny eny amin’ny Lalam-pirenena faha-13. Maro ny fiara taraiky sy matory an-dalana noho izany. Misy ny tra-doza amin’ny ranontrambo izay mampiavaka iny faritra iny. Toa iri-mahaory ilay izy.
Manoloana izany anefa, tsy mbola afaka ny hilaza fa miova tanteraka ny toe-java-misy any an-toerana. Iaraha-mahalala, miditra anatin’ny fotoanan’ny maitsoahitra ny eto Madagasikara. Maro ny mponina any ambanivohitra, mandalo sedra maro ihany koa amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fisian’ny hatokona. Mahantra ny mponina, betsaka ny mosary, misy ny maty. Trangam-piarahamonina sy olana sosialy tsy azo hamaivanina izany. Jereo fotsiny, olona 13 ( hoy ny mpitandro filaminana) , raha 30 no voalazan’ny olom-boafidy no matin’ny hanoanana tao amin’ny kaominina Mahabo, distrikan’i Betroka. Tena nihinankinam-poana ara-bakiteny noho ny hanoanana.
Mampalahelo ny fiainana any atsimon’ny Nosy. Efa ampolo taonany maro no nisy ny tetikasa goavana iarahana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena, vondrona miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy hita ny vahaolana maharitra fa mianona amin’ny petatoko hatrany. Firifiry tapitrisa na vola malagasy na vahiny no voalaza fa nampiasaina any an-toerana. Hamaroana tetikasa izany rey olona ! Saingy aiza ny vokatra ? Ny fifanaretsahan’ny fiara tsy mataho-dalana marobe sy ny moto ary ny vahiny no manaitra. Marina raha ampitahana ny lany amin’ny famahana ny fototrolana tsy kely lavitra noho ny fividianana fitaovana sy ny hofan-trano. Porofon’izany, tsy foana mandraka izao ny kere. Boribory vetaveta ny olana sy ny zava-misy.
Soa ihany fa nisy ilay fanendrena ny Filoham-pirenena malagasy Rajoelina Andry, ho tompondakan’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Manome hery sy fampirisihana misimisy kokoa ny tomponandraikitra. Rehefa ny lohany no modely tsara sy atao fitaratra, inoana fa hivaha tsikelikely ny olana. Zava-dehibe tsy azo hamaivanina ny amboara eran-tany tahaka ireny satria sady fankasitrahana no adidy. Mitaky ezaka sy asa ary vokatra misimisy kokoa noho ny efa vita hatrizay. Efa iaraha-mahalala rahateo ny vitan’ny Filoham-pirenena saingy mila fanohanana sy fiaraha-mientana.
r.r