4’Mi: ialana  ny toe-tsaina zatra mangataka lava

Misy dingana arahina ny fiahiana ny 4’Mi eto, raha ho an’ny ministeran’ny Mponina manokana. “Voalohany, alaina eny amin’ny toerana misy azy ireo ny 4’Mi ka apetraka ao amin’ny Madcap mandritra ny enim-bolana. Hafindra any Ankaribo avy eo rehefa tapitra ny fe-potoana ka omena fiofanana maro samihafa hoentin’izy ireo miaina aoriana. Farany, hafindra any Andranofeno Sud, omena toerana hambolena sy trano honenana ny tokantrano tsirairay avy.  Ny tanjona amin’izany dia mba hampivoatra  ny fiainan’izy ireo, mba hialana amin’ny toe-tsaina mangata-dava”, hoy  Randrianatoandro Antonio Eric, lehiben’ny Sampan-draharaha Fampiroboroboana ny fiainana tsara rindra sy ny trano fonenana.

Nahatratra 110 ireo 4’Mi nafindra toerana tany Andranofeno Sud  ny taona 2015.  Miisa 40 sisa ireo tafajanona sy tamana any an-toerana raha nidina ifotony ny avy ao amin’ny ministera, afak’omaly.  “Tsy mahazaka ny fomba  fiainana any ny ankamaron’izy ireo ka mahatonga azy ireo niala”, hoy ny tompon’andraikitra.  Miverina mangataka  sy mitsindroka ary matory an-dalana indray izy ireny avy eo.  Raha ny tsapa, tsy mahazaka miasa mafy izy ireo  fa efa zatra  fiainana mora sy  mangataka.

Hetsika ho an’ny noely

Miara-miasa amin’ny fikambanana maro ny ministeran’ny Mponina sy ny Kaominina amin’ny fiahiana azy ireo. Hetsika atao ny fizarana sakafo, kilalao sns ho an’ireo eny amin’ny Akany.  Anisan’ny  nanome fanomezana  ho azy ireo ny orinasa “Orange Madagascar”, ny fikambanana “Grain de bleu”, ny fikambanana Manolo-Tanana sns. Mbola hitohy ny hetsika sosialy avy amin’ireo fikambanana maro samihafa eto amin’ny nosy.

Tsiahivina fa samy manana ny akany andraisana 4’Mi  ny ministera sy ny kaominina. Eny amin’ny Madcap Ambodin’Isotry ny akany nomanin’ny ministera. Eny Anosizato kosa  ny akany avy amin’ny   kaominina iarahany miasa amin’ny Orinasa Axian.  Sokajian’olona toy ny mpangataka, mpatory an-dalana, mpivaro-tena, mpifoka rongony, mpisotro toaka sns  ny voakasik’izany.  Matory eny amin’ireo akany ireo izy ireny amin’ny alina, mivoaka mitady vola amin’ny atoandro. Tsy fantatra mazava ny antontan’isa fa nahitana fitomboana ireo 4’Mi tao anatin’ny roa taona, tatitra voaray teo anivon’ny ministeran’ny Mponina sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Partager sur: