Nankatoavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD,) tamin’ny 5 desambra teo, ny famatsiam-bola 19,25 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara. Ho fanampiana ny fiatrehana ny loza noho ny fiovan’ny toetr’andro izany.
Hahazo ny famatsiam-bola fanampiny ho an’ny fandaharanasa afrikanina hiatrehana ny loza vokatry ny fiovan’ny toetr’andro (ADRIFI)*,i Madagasikara. Famatsiam-bola hanamoràna ny fitantanana ny tany mpikambana ao amin’ny BAD. Famatsiam-bola hanampiana ny faritra efatra (Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, sy Fitovinany). Ahafahana manamboatra efitra fialofana, ampiasana amin’ny antony maro koa izany, eto Antananarivo, Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana ho fiarovana ny mponina sy ny vokatra raha sendra loza.
Azo atao ny manorina efitrano goavana ho fitahirizam-bokatra any Bekily sy Amboasary. Hafahana mividy sy mizara sakafo amin’ireo mora handairan’ny tsy fahampiana koa.
Vanim-potoana fohy
Famatsiana maika ho an’i Madagasikara ny fandaharana ADRIFI avy amin’ny BAD. Hiatrehana ny voka-dratsin’ny rivo-doza mamely ny firenena, ka iharan’izany ireo trano fonenana, fianarana, hopitaly, tranom-panjakana, lalana, fambolena, famatsiana herinaratra, sns,
Mora andairan’ny andro ratsy ny eto Madagasikara noho ny toerana misy azy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Niharan’ny rivodoza matetika, ohatra i Madagasikara tamin’ny 2021-2022. Vanim-potoana manaratsy ny fotodrafitrasa sosialy sy toekarena, indrindra fa ny any Atsimo.
Aiza ho aiza ny fanampiana azo ?
Ny fandaharanasa ADRIFI tamin’ny 2020, Madagasikara efa naharay 2 tapitrisa dolara noho ny haintany tany Atsimo. Nanimba ny fotoam-pambolena noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai namely mafy tany Atsimo Atsinanana. Tamin’ny marsa 2022, nahavoaray 10 tapitrisa dolara teo koa ny firenena. Nahazo famatsiana fanampiny 797 000 dolara koa ny any Atsimo.
« Manampy ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miasa aminy, anisan’izany ny BAD, niatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara » , hoy Adam Amoumoun ao amin’ny BAD. Aiza ho aiza izao ny fanampiana azo ?
Ndrina