Fanafihana mitam-piadiana: jiolahy 16 matin’ny polisy, basy 11 tafaverina

Fantatra nandritra ny famindram-pahefana, afakomaly, teo amin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny teo aloha, ny Contrôleur générale de police, Rakototiana Valisoa Laubel sy ny talem-paritra vaovao , ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa nisongadina ny polisin’ny FIP Toamasina tamin’ity taona 2022 ity, teo amin’ny fifanatrehana tamin’ny andian-jiolahy mahery vaika. Nahatratra 11 ireo jiolahy lavon’ny FIP raha dimy kosa ho an’ny polisy ao Bazarikely miaraka amin’ny boriborintany faharoa Toamasina. Polisin’ny FIP iray lavon’ny balan’ny jiolahy raha polisy roa lahy ao Bazarikely naratra vokatry ny asan-jiolahy. Mitontaly 11 kosa ireo basy teny am-pelatanan’ny jiolahy tafaverin’ny polisy ka ny enina amin’ireo ny an’ny FIP raha dimy kosa ny an’ny Bazarikely. Nambaran’ny talem-paritra vaovao fa hotohizana ny ezaka tsara efa natomboky ny tale teo aloha ary hatsaraina kosa izay tokony harenina. “Hamafisina ny ady amin’ny fakana an-keriny sy asan-jiolahy mahery vaika, indrindra ny fisorohana mialoha ny tsy hahatontosa ny asa ratsin’izy ireo. Omena tombon-dahiny ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana zandary sy Tafika ary sivily “, hoy hatrany izy.

Mampitandrina ireo jiolahy ny kaomisera Rafaliarivo Jules

“Mampitandrina mafy aho aminareo jiolahy mihevitra ny hanakorontana ny fiainam-bahoaka amin’izao ankatoky ny fety izao fa tsy hitsitsy izahay”, hoy ny kaomandin’ny FIP, ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Hampiasa ara-drariny ny fitaovana nomen’ny fanjakana, izay hiarovana ny vahoaka ary hanenjehana ireo jiolahy izahay, araka ny nambarany. Marihina fa vita ny fanatsarana ny fiara roa hampiasain’ny polisin’ny FIP vokatry ny fiaraha-miasa tamina orinana iray. Ankoatra izay, nividinana finday misy laharana roa samihafa koa ilay fiara entina mivezivezy ka ny iray 034 24 581 52, ny faharoa kosa 038 73 889 11, mandeha 24 ora amin’ny 24 ora, araka ny fanazavan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules hatrany. “Tsara ny fiara vaovaon’ny talem-paritra ka ho tsara koa ny vokatra raha somary hitsapa anay polisy ianareo jiolahy”, hoy izy.

Sajo/J.C

Partager sur: