Ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava, hahazo orana tandrifin-drahona avokoa ny takariva sy ny alina anio sy rahampitso, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitsitokotoko ny orana ka mila miomana amin’ny fitaovam-piarovana hatrany ny tsirairay raha hamonjy fandaharam-potoana amin’ny alina fa tsy voafaritra mazava ny toerana hisitraka izany ho an’ny roa andro. Hahazo orana koa ny ilany avaratry ny Nosy raha ho maina tanteraka kosa ny any Atsimo.
Eto Antananarivo, 16 ka hatramin’ny 28°C ny maripana ary hiakatra kely rahampitso. Mbola hitohy ny orana ny fiandohan’ny herinandro ho an’ny afovoan-tany. Tsy misy ahina kosa ny fiforonana rivodoza ho an’ny telo andro manaraka. Manevokevoka ny hafanana any amin’ny ilany andrefana satria mahatratra 36°C ny maripana ambony indrindra any Maitirano sy Besalampy, ny alatsinainy.
Momba ny toetry ny andro anio, ny tapany hariva handrahona na handrahona mitsitokotoko any amin’ireto faritra ireto; Menabe, Atsimo-Andrefana, Androy, Ihorombe sy Anosy ary ny tapany Andrefan’ny faritra Melaky sy Matsiatra Ambony. Hanoram-baratra any amin’ny faritra sisa.
Vonjy