Fety ieren-doza: ialana ny fihinanana sakafo be menaka sy lany daty

Ilaina fitandremana ny fihinana sakafo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Anisan’ny fotoana ahitana  trangana  fanapoizanana ara-tsakafo izao, hoy ny mpitsabo.  Manoloana izany, tsy tsara ny mihinana sakafo be menaka toy ny « mayonnaise » ary ny sakafo lany daty isan-karazany.  Jerena tsara  mihitsy ny datin’ireny sakafo amidy eny an-tsena ireny vao hohanina. Voakasik’izany, ny sakafo anaty  boaty  na anaty sachet toy ny  “biscuit”, ny “sardine” sns. Fadiana ihany koa ny misotro zavatra misy alikaola miaraka amin’ny mananasy  satria miteraka poizina betsaka amin’ny vatana ny fihinana izany. Fepetra raisina raha sanatria ka tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny olona iray. Mihinana charbon  na atody manta avy hatrany ny marary mandrapahatonga any amin’ny mpitsabo,  manampy betsaka ireo amin’ny famoahana ny poizina tafiditra any anaty kibon’ny olona iray, hoy ny mpitsabo nanontaniana.  Manatona mpitsabo avy hatrany ny vahaolana tsara indrindra raha akaiky mpitsabo.

Mino

Partager sur: