Fiparitahan’ny otrikaretina: nahazo fampitaovana hitantanana ny fako ny LA2M   

Noho ny fivoaran’ny zava-misy maneran-tany indrindra ny fisehoan’ny valanaretina samihafa, ilaina ny fananana drafitra fitantana ny fako mampidi-doza ho an’ny fahasalamana.    

“Teo aloha, alain’ny mpiasan’ny HJRA ny fako araka ny lamina.  Ankehitriny noho ny fampitaovana avy amin’ny Japoney, mahaleotena amin’ny fitantanana ny fakony ny laboratoara”, araka ny fanazavan’ny talen’ny LA2M, Andrianarivelo Andry, omaly teny Androhibe. Notoloran’ny Japoney fitaovana fitantana fako ny laboratoara isorohana ny fiparitahan’ny singa mety hitera-doza ho an’ny rivotra sy ny rano ary ny tany. Ahina hipaka eny amin’ny vahoaka sy ny mpiasa ao anatin’ny laboratoara sy ny mpikirakira ny fako ireo singa ireo.

Marihina fa mamoaka fako 10 kg eo ho eo isan’andro ny laboratoara mitily ny valanaretina samihafa (LA2M), indrindra ny tsimokaretina Covid-19 eny Androhibe, izay naorina ny volana jona 2020. Karazana fako maro tena mampidi-doza raha miparitaka no tantanina isan’andro eo anivon’ny LA2M. Fitaovam-piarovana, toy ny aron’akanjo, fanjaitra sy ny singa hotiliana avy ao amin’ny laboratoara,…Anisan’ireo nomeny ny milina micro onde mahazaka 60l hamonoana ny otrikaretina ao anatin’ilay fako, fitaovana fanasarahana ireo karazam-pako ary milina fanapotehana taratasy. Nahazo fitaovana tahaka izao koa ny hopitaly Androva  Mahajanga sy ny hopitaly mikarakara ny reny sy ny zaza eny Tsaralalàna -Antananarivo. Ankoatra ny fampitaovana, nanohana tamin’ny fampitana ny teknolojia vaovao fitantanana ny fako ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny indostria (Onudi), teny amin’ireo hopitaly nametrahana ny fitaovana vaovao.

800 000 dolara ny sora-bola

Mitentina 856 000 dolara ny sora-bola natokana ho an’ny tetikasa fampiasana ny teknolojia mikajy ny tontolo iainana ho an’ny fitantanana ny fako. Toeram-pitsaboana sy ny fakon’ny Covid-19 no tohanan’ny Japoney, tanterahan’ny Onudi, izy io. Efa nasiana fanavaozana rahateo ny drafitra nasionaly fitantanana ny fako, araka ny fanazavan’ny masoivohon’i Japana eto amintsika, Abe Koji.

Miteraka olana amin‘ny fampandrosoana ny toe-karena ny tsy fahasalaman’ny mponina ateraky ny fako manimba ny tontolo iainana. Ny taona 2015, nitentina 117 tapitrisa dolara ny vidin’ny tsy fahafahan’ny olona namokatra, vokatry ny aretina avy amin’ny tontolo iainana. Fanehoan-kevitry ny tale jeneralin’ny fampandrosoana maharitra eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Rabenandrianina Rivosoa .

Efa manana toerana fitantanana ny fako avokoa ny toeram-pitsaboana rehetra manerana ny Nosy satria efa politikan’ny firenena ny fikajiana ny tontolo iainana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Rehefa mitsabo anefa misy fako hatrany izay mety hamindra otrikaretina amin’ny mpiasa sy ny mponina ka mila fitantanana mahomby miaraka amin’ny fitaovana arifomba.

Vonjy A.

Partager sur: