KMF/Cnoe: “Mampandroso antsika ny mifampihaino”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Mazava ny nambaran’izy ireo. “Anisan’ny fototra heverina fa mampandroso ny firenena ny fifampihainoana“, hoy ny fanambarana. Nambaran’izy ireo fa nihaino ny hetahetan’ny  KMF/Cnoe  ny Ceni sy ny fitondram- panjakana . Namoaka ny didim-panjakana mamaritra ny fanalavam-potoana ny fanovana ifotony ny lisitry ny mpifidy. Milaza ny fanemorana ny fanisana ny mpifidy eny anivon’ny tokantrano hatramin’ny 31 janoary 2023. “Vokatry ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony, ny fampitam-baovao ary ny hetahetan’ny olompirenena, manahy ny ho very zo, efa hatramin’ny volana novambra no nahatsapana fa ilaina ny mampihemotra ny fe-potoana fanoratana anarana anaty lisitra mpifidy“, hoy izy ireo.

Notanisain’ny KMF/Cnoe fa teo ny olana ara-pitaovana. Tsy niara-nanomboka ny volana oktobra koa ny fanisana. Nampirisika ireo herivelona rehetra : mpanao politika, ny firaisamonim-pirenena, ny mpitondra fivavahana, tangalamena, ny Andrimpanjakana isan-tsokajiny hanentana ireo mbola tsy anaty lisitra mpifidy mba hisoratra anarana.

Heverina ho toy ny tsy misy lanjany izao didim-panjakana izao raha tsy mandray ny andraikitra manandrify hahavoasoratra anarana azy anaty lisitra ireo tsy mbola ao. Zo sy adidy ny fidirana anaty
lisitra mpifidy mba tsy hanenina amin’ny andro iray.

Synèse R.

Partager sur: