Lalao baolina kitra: nidaroka olona ny mpitandro filaminana

Tranga hafakely ity niseho tao amin’ny kaominina Miarinarivo, distrikan’Andilamena ity. Ny alahady 18 desambra teo. Niady ny lalao famarana ny zanaky ny betsileo sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Resy teo anatrehan’ny zanaky ny Betsileo ny mpifanandrina aminy ka tsy nahazaka. Minitra vitsy tsy hataperan’ny lalao, nodakan’ny mpitandro filaminana ny ranjon’ilay mpiandry tsatokazon’ny ekipa zanaky Betsileo. Mbola narahina “coup de tête”izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Namaly avy hatrany ilay niharan’ny daka. Raikitra ny sahotaka. Safotra tsy nahatsiaro tena ny lehilahy. Ny harivan’io, saika ho entina ao amin’ny hopitalin’Andilamena izy saingy natahotra ny mpitandro filaminana. Ny alatsinainy vao nahazo fitsaboana. « Nisy namoaka vava ny sasantsasany tamin’ireo mpitandro filaminana  fa tsy mivoaka velona eo ianareo », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Etsy ankilany, nilaza ny Ben’ny tanàna ao an-toerana fa tsy azo ekena ny tranga toy izao. Nambarany fa misy mpitandro filaminana iray malaza mandrahon’olona . Isan’ireo nikasi-tanana ilay mpiandry tsatokazo io. Efa lasibatra tamin’izany rahateo ny tenany, hoy hatrany ny fanazavany. Araka izany, tsy maintsy tsaboina eto andrenivohitra ilay voadaroka noho ny voina mafy nahazo azy. Nambaran’ny fianakavian’ilay naratra fa tsy mahasahana ny fitsaboana ny havany ny vola roa hetsy nomen’ny ekipa voalaza ho nandratra olona. Manao antso avo koa ny fianakaviany hijerena akaiky ity tranga ity.

Henintsoa H.

Partager sur: