Lozam-pifamoivoizana: Jeneraly maty voahitsaky ny kamiao teo Namontana

Maty tsy tra-drano, voahosin’ny kamiao ny manamboninahitra jeneraly iray, omaly, teny Namontana. Voalaza  fa nisongona avy aty amin’ny ankavanan-dalana izy.

Nampivarahontsana ireo manodidiana ny fahafatesana jeneraly iray, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tetsy Namontana, omaly maraina. Tamin’ny 10 ora latsaka, tratran’ny lozam-pifamoivoizana izy raha nitondra moto avy any amin’ny “rond-point” Soanierana, nikasa hihazo an’Anosibe. Mbola somary nitohana ny fifamoivoizana noho ny andro vao maraina. Taorian’ny kamiao iray izy, hoy ny olona nanatri-maso nanaovana fanadihadiana ifotony. Nikasa hisongona ity fiarabe tany amin’ny ankavanan-dalana izy, hoy hatrany ny mpivarotra nanontaniana. “Nianjera tampoka ny moto nentiny. Tsy naharina intsony ity farany fa tavela teo amin’ny arabe. Tsy hitan’ilay mpitondra kamiao ny fisiany  tao amin’ny an-kavanany. Ny mpamily ity kamiao  izay nihevitra hijanona tao ankavanan-dalana, tamin’ny fotoan’ny loza”, hoy hatrany ny nanatri-maso. Nandritra izay, nahare zavatra nipoaka tampoka ny mpamily ka nijanona.

Nihorakoraka sy nihiakiaka ireo olona teo amin’ny manodidina, nahita ilay mpitondra moto voahitsaka. Nandalovan’ny kodiarana ny lohany, potika ny aro-loha, nijininika ny rà. Tsy tana intsony ny ainy, noho ny ratra mafy nahazo azy.  Natao ny fisavana ny paosiny. Hita  nandritra izany ny karatra maha-zandary azy. Tonga nanao fanadihadiana sy naka ny vatana mangatsiakan’ity tra-doza  ny zandary. “Mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay amin’izao fotoana”, hoy ny eo anivon’ny borigady ny Tana Ville, omaly hariva.

Tery ny arabe

Araky ny fanamafisan’ny polisy miasa eny an-toerana, tery ny faritry ny arabe natokana handehanan’ny fiara rehefa maraina ho an’ny eny Namontana. “Mbola mivarotra anaty arabe ireo mpivarotra sasantsasany fa tsy manala ny entany, hoy hatrany izy ireo. Mihafy, arak’izany, ny fiara sy moto mampiasa lalana. Hany ka mitari-doza tampoka, toy ny  zava-nitranga, omaly.

Manampy trotraka ny tsy fitandreman’ny mpampiasa lalana. “Tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ireo mpitondra moto na fiara sasan-tsasany”, hoy izy ireo.

Raha tsiahivina, efa nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny Namontana tamin’ity taona ity ankoatr’io. Tovololahy iray hafa, tapa-tongotra voafaokan’ny kamiao ihany koa. “Tokony hitandrina sy hanaja hatrany ny lalàn’ny fifamoivoizana ireo mampiasa lalana hisorohana ny loza tahak’izao”, hoy ny fanamafisan’ny polisy.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: