Olana ara-piarahamonina avokoa no itovian’izy ireo. Misy ny nilaozan’ny vadiny, ny maty vady. Misy kosa ny manao ny fangatahana ho fanampiany ny vadiny miasa. Manodidina ny 5000Ar ny azon’izy ireo isan’andro, ho an’ny mpangataka ao amin’ny tonelina Ambohidahy.
Renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany ny ankamaroan’ny mpangataka eo . “Eto mba mety ho an’ny zazakely. Mangatsiaka rehefa mafana ny andro ary mba tsy lenan’ny orana rehefa avy orana. Somary tsy dia ahazoana vola anefa ny eto raha oharina amin’ny toerana hafa saingy tsy afaka mandeha any izahay noho ny fisian’ny zazakely”, hoy i Nirina, mpangataka ao amin’ny tonelina Ambohidahy.
Marihina fa ny atoandro ihany izy ireo no eny ambany tonelina. “Tsy maintsy mankety izahay rehefa atoandro satria tsy azo ijanonana eny amin’ny akany. Ny alina ihany no azo ijanonana ao ami’ny akany fa mivoaka daholo ny rehetra rehefa atoandro, ankoatra ny marary sy ny tera-bao” hoy ireto mpangataka ireto.
Afaka miaina ny noely ihany izahay, indrindra ny ankizy, na tsy tahakan’ny an’ny rehetra aza. Misy ireo fikambanana sy olona tsara sitra-po tonga mizara kilalao sy sakafo ho anay ety. “Mba miavaka kely amin’ny mahazatra fotsiny ny andron’ny noely aminay fa tsy misy fety na fihinanambe akory” hoy ireto mpangataka ireto.
Lin