Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha momba ilay ramatoa iray voatondro ho nandratra ankizivavikely 13 taona. Nitaky vola tamin’io vehivavy io izy saingy herisetra no natao azy. Mpivarotra pirina ny renin-drazazavavy ka nividy izany ilay ramatoa voalaza etsy ambony. Tsy nomeny anefa ny vidin’izany ka nirahin’ny reniny naka ilay vola tany an-tranony ity zanany. Nony tonga tany an-toerana, noterena hiditra tao an-tranony izy. Nogiazany sady nodarohany. Minitra vitsy taty aoriana, tsy niverina ity nirahina ka tapa-kevitra ny hanaraka an-janany ilay renim-pianakaviana . Akory anefa fa vava no natao azy, tsy navoakan’ilay ananany vola koa ny zanany. Vokany, nanatona polisy izy ka namoaka filazana zaza very ny mpitandro filaminana. Taorian’izay, navotsony razazavavy. Voasambotra kosa ny vehivavy nitazona azy.
Henintsoa H.