Nohon’ny COVID – 19: nasorina tamin’ny asany i Felix

Anisan’ny raim-pianakaviana, manao noely eny an-dalambe ihany koa i Felix. Raim-pianakaviana 40 taona. Taorian’ny krizin’ny valan’aretina Covid 19, maro ireo orinasa nikatona. Isany niharan’ny fahaverezan’asa izy.  Tsy vitan’izany, mbola nilaozam-bady ihany koa. Niasa tamin’ireny orinasa tsy miankina, mikirakira vy ireny saingy lasa 4’Mis. Mankalaza ny noely samirery izy, araka ny fanadihadiana natao taminy, teny amin’ny zohin-dalana na “Tunnel Ambanidia”, omaly.

Nohon’ny etraketrakin’ny fiainana, voatery miandry asa madinika, toy ny manary fako, matsaka rano, mibata entana na “dokera”, ny tenany, ankehitriny. Tsiahivina fa nanofa trano izy teo aloha, saingy voatery niala noho ny tsy fahafahana mandoa ny hofany.

Araka izany, nilaozan’ny vadiny izy, “Tsy zakan-dravehivavy ny fahantrana, nilaozany aho” raha ny filazany.

Matory eny amin’ny Tunnel Ambanidia ny lehilahy, ankehitriny. “ Eto amin’ny “Tunnel” aho no matory, mafy saingy izay ilay fiainana ka tsy maintsy zakaina.”, hoy i Felix.

Amin’izao andron’ny krismasy izao, miezaka mampifaly tena aho, miezaka mitafy ireny akanjo tsara voatahiry taloha ireny, mandehadeha mijery ny zava-misy eny Analakely.

“ Mba manao fangatahana amin’ireo malala-tanana izahay eto amin’ny Tunnel, ny hijerevana azy ireo akaiky. Mba omeo asa, hafahanay mivelona tsara ary akanjo, hiatrehanay ny hatsika amin’ny andro alina. Mirary krismasy sambatra, ho an’ny rehetra.” Raha ny nambarany ihany.

Partager sur: