Niakatra fampanoavana ny alakamisy ka notazonina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Tolagnaro ilay lehilahy 46 taona, voatondro ho nanolana sy nahabevoka ankizivavikely 12 taona. Voasambotra ny talata teo, rehefa nanao ny asa ratsiny nandritra ny herintaona. Ny 15 desambra teo,raha iverenana ny zava-nitranga, efa alina vao niditra ny trano ilay ankizivavikely ka nanontanian’ny renibeny. Nilaza izy fa naolan’ny lehilahy iray rehefa notambazany vola 1.000Ar sy “biscuits”. Tonga nitaraina teny amin’ny polisy ilay ramatoabe. Voasambotra ity voalaza ho nahavanon-doza ka nalaina am-bavany. Nandà ny fiampangana azy ilay lehilahy, saingy voamarina taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera fa bevohoka dimy volana ilay ankizivavikely. Fantatra taorian’ny fakana am-bavany fa nandritra ny herintaona no nanaovan’ilay lehilahy ny filan-dratsiny. Mbola izy ihany koa no nahabevohoka azy.
Henintsoa H.