Tra-tehaky ny polisy, ny alarobia teo, ireo dimy lahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao Mahabokely, distrika Mahabo. Fantatry ny mpitandro filaminana ny teti-dratsin’ireto totakely ka nokarohina avy hatrany. Araka izany, hita tokoa fa nisy andian’olona miisa dimy nirongo fitaovam-piadina, niditra tamina tokantrano iray. Niditra an-tsehatra ny polisy nisambotra ireto farany. Tsy afa-namaly izy rehetra ka noraisim-potsiny. Mbola tratra teny ampelatan’izy ireo ny basy miaraka bala miisa dimy. Tao koa ny famaky efatra ary finday miisa telo nifandraisan’izy dimy lahy. Noentina teny amin’ny biraon’ny kaomisaria ao Mahabo avy hatrany ireto voasambotra nanaovana fanadihadiana. Fantatra fa 17 hatramin’ny 42 taona ireto olon-dratsy ireto.
Henintsoa Hani