Miara-miasa ny orinasa Star sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny lafiny fitsinjovana ny tontolo iainana, ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra. Notoloran’ny Star dababe manokana “baka Kopakelatra” ny sekoly EPP miisa fito eto an-dRenivohitra, ny 12 sy 13 desambra 2022, lasa teo. Tanjona iraisana ny hitandroana ny fahadiovana sy ny hitaizana ny ankizy, nahatonga ny roa tonta hanitatra ny tetikasa Kopakelatra eny amin’ireo sekoly ireo.
Tonga teny an-toerana ny solontenan’ny Star, nampianatra ny ankizy ny fomba fampiasana ny fampidirana ny tavoahangy plastika avy nampiasaina anaty baka fanangonana. Hitohy amin’ny taona 2023 ity fiaraha-miasan’ny Kopakelatra sy ny sekoly EPP ity. Hahazo fitaovana sy kojakoja samihafa ny sekoly arakaraka ny tavoahangy plastika voaangony avy. Nomena tohan’aina ny mpianatra miisa 4.250 ao amin’ireo sekoly miisa fito ireo nanditra ity fotoana nandalovan’ny Star ity.
Haparitaka any amin’ny faritra
Miisa 68 ny baka Kopakelatra eto Antananarivo, ankehitriny. Misy ny vinavinan’ny Star, hametrahana azy manerana ny EPP rehetra eto an-dRenivohitra sy ny any amin’ny faritra. Tanjona ny hanakaikezana kokoa ny vahoaka, hampianarana azy ireo hahay hanangona ny tavoahangy plastika avy ampiasaina amin’ny toerana tokony hisy azy.
Njaka A.