Ankatso: jiolahy tratra nanendaka teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be

Voasambotry ny polisin’ny FIP teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Ankatso, afakomaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny Kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, manara-maso ireo toerana be mpifamezivezy hatrany ny polisy mba hisorohana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpanao ratsy. Voakasik’izany ny eny amin’ny faran’ny fiantsonan’ny taxi-be Ankatso, isan’ny toerana maro mpandeha. Nametrahana polisy mba hitandro ny filaminana sy afaka hahetsika avy hatrany eny an-toerana raha vao misy tranga miseho. Nahitam-bokany izany satria jiolahy iray no tratra teo am-pisintonana zavatra teny an-tanan’olona ka nifanehatra tamin’ny polisy.

J.C

Partager sur: