CBD Cop15: faritra arovana 30 mialoha ny 2030

Nankatovian’ny firenena miisa 196, ny 19 desambra teo, ny « Fifanarahan’i Kunming-Montréal », antsoina koa hoe « Fifanarahana ho an’ny fandriampahalemana miaraka amin’ny tontolo iainana ». Tafiditra ao anatin’ny fivoriamben’ny firenena, CBD Cop 15 ity natao tany Montréal, Canada ity.

Naharitra efa-taona ny ady hevitra, ny fifampiraharahana samihafa nandinihina ity, CBD Cop 15 ity, nanomboka ny taona 2018. Manodidina ny 20 ny fepetra noraisina ao anatiny, hanatrarana tanjona hatramin’ny taona 2030. Miampy ny antsoina hoe « 30 x 30 », ka voafaritr’izany ny hiarovana ny 30%-n’ny velaran-tanety sy an-dranomasina eto an-tany, hanarenana ny 30%-n’ny tany miha simba mialoha ny 2030, ary ny hananganan’ny firenena tsirairay, nanao sonia faritra arovana (AP) miisa 30.

Fiaraha-miasa eny ifotony

Nilaza ny talen’ny WWF Madagasikara, Rakotondrasoa Fenohery, fa dingana manan-danja vaovao sady goavana ity fifanarahana Kunming-Montréal ity, amin’ny fiarovana ny tontolo mananaina manokana tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra, miaraka amin’ny vondron’olona ifotony amin’ny fitantanana eny ifotony, hiatrehana ny fihodin’ny tontolo iainana eto Madagasikara. « Tsy maintsy ahena ny tsindry sy ny ahiahy amin’ny tontolo mananaina, mba hanatrarana ny tanjona amin’ny taona 2030 », hoy ihany izy.

Nanamafy izany Rtoa Randriambola Voahirana, mpandrindra ny fiombonan’ny mpanadihady ara-teknika sy politika ao amin’ny WWF Madagasikara. Nambarany fa tokony hanaja ny fifanarahan’i Kunming-Montréal daholo ny firenena tsirairay, mifanaraka amin’ny hamehana mikasika ny tontolo mananaina.

Njaka A.

Partager sur: