COI -Madagasikara filoha am-perinasa: manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny UE sy ny Frantsay

Madagasikara izao ny filoha am-perinasa ny COI (Commission de l’Océan Indien). Niantso fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny mpikambana ao amin’ny COI ny Malagasy ny 22 desambra 2022. Fivorina azo narahin-davitra (en ligne).

Io fivorina tsy ara-potoana io no nahafahana nandray fepetra mialohan’ny fanavaozana ny COI. « Ranomasimbe Indianina ifampizarana », foto-kevitra  amin’ny lamina fampandrosoana fototra (PDS)* haroso amin’ny fivoriana manaraka : fandriampahalemana, fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra, fampivoarana ny maha-olona, endrika vaovao hananan’ny COI  sy ny mpiara-miombon’antoka.

Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny AFD koa io. 6 tapitrisa euros avy amin’ny AFD, 2,9 tapitrisa euros fanampiny omen’ny UE. Fanampiana hitsinjovana ny 2030, hahafahan’ireo tany mpikambana mananatanteraka ny tetikasany PDS.

Fitsipika anatiny vaovao no arafitr’ireo tany mpikambana ka handraisana ny fanambaran’i Madagasikara amin’ny fanomanana Fivoriana an-tampony ny filoham-panjakana amin’ny 2023.

Laharam-pahamehana nofaritan’i Madagasikara

Momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo, iarahana amin’ny tetikasa vatsian’ny UE vola. Ny masomboly haparitaka any amin’ny faritra miaraka amin’ny sampam-pikarohana Cirad sy Fofifa. Ho fanomezana vahana ny toekarena, hajoro ny komitim-paritra momba ny fiarovana sy ny fifandraisana amin’ny fari-dranomasina, sy ireo firenena morontsiraka atsinanana aty Afrika. Nosoritana ny drafitrasa hitadiavana famatsiam-bola, sy ho fanatsarana ny fitaterana an-dranomasina. Zahana manokana koa izay mahakasika ny tanora amin’ireo tetikasa ireo.

Ndrina

Partager sur: