Miisa 200 indray ireo mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila nahavita fiofanana teny amin’ny DCSSM. Hiantsehatra avy hatrany izy ireo amin’ireo ambana mety hiseho eto amin’ny firenena…
Notontosaina teny amin’ny Direction centrale du service de santé militaire (DCSSM), ny famoahana ireo mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila miisa 200, nahavita fiofanana “Certificat technique numéro 1 na CT1 Infirmier”. Nisalotra ny anarana “Ravo” ity andiany ity, izay niofana nandritra ny 18 volana ka nahitana ny avy ao amin’ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, ny mpandraharahan’ny fonja ary sivily. Mitsinjara toy izao izany : 128 avy amin’ny Tafika, 41 zandarimariam-pirenena, 27 avy amin’ny mpandraharaha ny fonja, roa avy amin’ny polisim-pirenena, ny iray avy amin’ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny iray avy ao amin’ny hopitaly miaramila Antsiranana. Nitarika ny lanonana ny Sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony misy ireo mpiofana. “Kihon-dalana lehibe no lalovan’ny Tafika ankehitriny raha ny lafiny fanavaozana ny rafitra satria hita taratra fa miezaka manakaiky ny vahoaka izy ireo”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, niarahaba ireo mpiofana tamin’ny fahavitan’ny fiofanana. Hita taratra koa izany amin’ny alalan’ny hetsika nahafahana nanamafy ny fahaiza-manao fa indrindra amin’ny fiatrehana ireo ambana mety hiseho eto amin’ny firenena toy ny Covid-19, ny loza voajanahary.
Jean Claude