Fahasahiranam-bahoaka: miantso ny fanampian’ny mpanohitra ny VMF

“Miantso ny mpanohitra izahay hijery manokana ny tombontsoam-bahoaka sy hanampy ny vahoaka sahirana, fa tsy ho lany andro amin’ny adilahy politika”, hoy ny Vondron’olona miaro ny fitondrana (VMF) tarihin’ny filohany, Rantenaina Falson Jocelyn, teny Ampefiloha ny herinandro teo.

Mijoro ho arofanin’ny fitondrana manoloana ny fanaovana politika efa tsy mety intsony ataon’ny mpanao politika, izay manohitra hatrany rehefa tsy mahazo seza na efa tsy eo amin’ny fitondrana. Tsy misy fijerena ny tombontsoan’ny besinimaro miandrandra fandrosoana avy amin’ny mpitondra sy ny fanjakana.

Anisan’ny antom-pisiany koa ny mampahafantatra sy miaro ny asa vitan’ny fitondrana. Manome sosokevitra sy manitsy, raha misy tsy mety ataon’ny mpitondra; manampy ny filoha sy ny mpitondra amin’ny hevitra  hanatsarana ny fitantanana sy ny harem-pirenena ao aminy. Aleo ny filoha voafidim-bahoaka hamita ny fe-potoam-piasany nifanarahany tamin’ny vahoaka, ka ny fifidianana hatrany no hitsara azy.

“Mangataka izahay ny mbola hirotsahan’ny filoha Rajoelina indray hanohizana ny velirano mbola tsy vita 100% ankehitriny”, hoy izy.

R.Nd.

Partager sur: