Fiainam-pikambanana: manohy ny asa sosialy ny ACT

Mametraka tanjona ny hampivondrona ireo teratany sinoa ny “Association des chinois à Tananarive – ACT”. Maherin’ny 700 ny isan’ireo teratany sinoa mivondrona ao anatin’izany, tarihin’ny birao vaovao, miaraka amin’i Sam Tio James. Nilaza ny hanohy ny asan’ny teo aloha izy ireo amin’izao dimy taona manaraka izao. Eo ny asa sosialy  ho an’ny rehetra. Efa maro amin’izy ireo rahateo no manambady malagasy. Efa miketrika hetsika lehibe ho tanterahina izy ireo ato ho ato.

Tanjona ny hampivondrona ireo teratany sinoa sy malagasy mifandray amin’izy ireo.

Etsy andaniny, nisy fiarahana misakafo niarahan’izy ireo natao tetsy amin’ny Tranon’ny kolontsaina sinoa Behoririka. Niarahana niasa tamin’ireo mpiara-miombonantoka sy ny fandraisan’anjaran’ny filoha vaovao izany. Teo koa ny fizarana kilalao ho an’ny zanak’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: