Efa fantatra ny solontenan’ny Faritra Analamanga, mandritra ny fifaninanana “Miss Madagascar”. Fitia Sonia no voahosotra ho “Miss Analamanga”, taorian’ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana , ny zoma teo.
Tontosa ny alin’ny zoma 23 desambra 2022, teny amin’ny CCI Ivato, ny famaranana ny « Miss Analamanga 2023 ». Niisa 20 ireo tovovavy nifaninana nandritra ny lanonana famaranana ny fifaninanana, izay nilatro niaraka tamina akanjo isaky ny karazany avy. Niavaka tanatin’ny maro, ka voafidy hisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Analamanga 2023”, i Fitia Sonia. Araka izany, ity tovovavy ity no ho solontenan’ ny faritra Analamanga mandritra ny fifaninanana « Miss Madagascar 2023».
Nifanakaiky teo ny salanisan’ny voalohany, ny faharoa ary ny fahatelo. Nisalotra ny “première Dauphine Miss Analamanga » i Valiha. « Deuxième Dauphine Miss Analamanga 2023 » kosa i Loren. Efa nilomano ary sangany teo amin’ny fifaninanana “Miss” ihany ireo nivondrona tao anatin’ny fitsarana ity fifaninanana ity. Anisian’ireny i Mulane Chen, « 1er Dauphine Miss Smatch’in », Samshia « 1er Dauphine Miss Universitaire », Anja Fitia « Miss élevé avé University Africa ». Nanampy ny salanisan’ny mpitsara ny isa avy amin’ireo mpifidy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera.
Zavakanto maroloko no naseho teny amin’ny CCI Ivato, ny alin’ny zoma lasa teo. Nolarona fampisehoana niarahana tamin’i Lego sy i Tovo J’hay ny hetsika famaranana ny « Miss Analamanga ». Nanafana ny seho ihany koa ny mpikosoka kapila, Dj Natty, niaraka tamin’ny orikesitra mpampandihy Tana Groupe. Isan’ny tena niavaka tamin’ity famaranana ity ny nisaloran’ny mpifaninana ny akanjo fanaon’ny « Hôtesse de l’air ».
Raha ny fahitana ny fizotry ny fifaninanana, tsara toerana i Fitia Sonia any amin’ny fifanianana “Miss Madagascar”. Na izany aza, tsy misy azo hamaivanina ny mpifaninana amin’io, satria samy miezaka ny manome izay mety indrindra ireo mpifaninana rehetra. Marihina fa ho fantatra mialohan’ny faran’ny taona avokoa ireo tovovavy rehetra hisalotra ny anarana “Miss” isam-paritra, ka handray anjara amin’ny fifaninanana lehibe, hisolo tena an’i Madagasikara.
Lin