Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny fankasitrahana ny finiavan’ny governemanta Amerikanina, hanampy antsika amin’ny fikararakarana fifidianana madio, malalaka ary mangaraharaha. “Mankasitraka manokana an’i Etazonia noho ireo fanampiana manan-danja, mampiseho fahavononan’ny fanjakana Amerikanina hanamafy orina ny demokrasia eto amintsika. Hikarakara fifidianana hary fomba ary hikatsaka ho avy politika, feno fitoniana ho an’ny vahoaka Malagasy”, hoy ny fanambarana. Niainga avy amin’ny fanambaran’ny filoha Amerikanina, Joe Biden ny 13 ka hatramin’ny15 desambra teo, tamin’ny fihaonana “Etazonia-Afrika”, izany fanampian’i Etazonia manokana ho an’ireo firenena Afrikanina maromaro, hikarakara fifidianana, amin’ny taona ho avy izany. Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo fa tokony afahantsika mikarakara fifidianana tomombana mba tsy hilatsahan’ny firenena anaty krizy tsy ahitana tombontsoa kanefa vidiana lafo ny finiavan’i Etazonia.
Fametrahana sary anaty lisi-pifidianana
Tokony hanatsara ny zotra-pifidianana sy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana mba tena hangarahara sy andraisan’ny rehetra anjara ireo fanampiana azontsika ireo, araka ny fanambarana hatrany. Nanteriny fa manome lanja sy mihaino hatrany ireo fitarainana samihafa ny fanampian’i Etazonia manoloana ireo tranga tsy fanajana ny zon’olombelona, ny fametrahana ny fahalalahana miteny, ny fahalemen’ny rafitra demokratika ary ireo sakana tsy hizorana any amin’ny fifidianana amin’ny taona 2023.
Etsy andaniny, nanamafy ny sosokeviny ny MMM ho fanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana mba hametrahana ny sarin’ny mpifidy voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana. “Mba afahan’ny olom-pirenena tsirairay avy manamafy ny fanaraha-maso izany lisitra izany”, hoy ihany izy ireo. Manentana ireo mpamatsy vola koa izy ireo ho fanohanana izany faniriana te hanavao izany, mba hanampy ho amin’ny fikatsahana fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika marina sy ny fitoniana, hiarovana ny toekarena sy ny fiainan’ny Malagasy ary koa hanome tanana an’i Madagasikara.
Synèse R.