Gaboraraka ny fiarovana ny ala arovana, nosokajiana hanatontosana fikarohana, ka mitarika fahasimban’ny ala sy zava-maniry ary ny biby hanaovana fikarohana.”Ilana fampiharana lalàna avokoa izany”, hoy ny fanehoan-kevitr’ ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nanaovana fanadihadiana, teto Toamasina, nandritra ny fametrahana ny filohan’ny oniversiten’ i Barikadmy vaovao tao Toamasina sy teto Antananarivo. Olana faharoa, ny tsy fampiharan’ny fitondram-panjakana ny lalàna efa navoaka saingy tsy namoahana lalàna fampiharana. Anisan’izany ny lalàna laharana faha 2021-005, adoptée ny 07-06-2021, promulguée ny 14-06-2021, izay efa nivoaka anatin’ny gazety bokim-panjakana laharana faha 4028, ny 29-08-2021. Làlana mametraka sy mamaritra ny tambikaraman’ny vokam-pikarohan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra sy ny ora fanampiny. Mbola eo koa ny “vacation” ho an’ ireo mpampianatra tsy miasa raikitra. Olana roa goavana izany no atrehan’izy ireo, manoloana ny fanatanterahany ny anjara andraikiny eto amin’ny firenena sy eo amin’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa
Misy fikonokononana fitokonana
Nandritra ny fanangonam-baovao teny anivon’ny oniversiten’ i Toamasina no nahalalana fa misy afon’apombo mikotroka eo anivon’ny oniversiten’ i Barikadmy. Mety hampihetsika ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny tsy fandresen’ny minisitra tomponandraikitra lahatra ny filohan’ny repoblika, , amin’ny tokony hamoahana ny lalàna fampiharana. Voalaza fa “tsy mijery ny tombontson’ny fampianarana ambony ny minisitra mpiahy fa tia tena sy variana amin’ny fiarovana seza”, hoy hatrany ireo naneho hevitra
Miisa 617 ny mpiasa mpandraharahan’ny oniversite niara-nitaky ny “indemnite de téchnicité, ny fametrahana latsakekemboka sosialy “Cnaps” ary ny régularisation situation personnelle 106 izay tapaka karama efa ho 20 volana. Vokany, feno ny fepetra mety hisian’ny fitakiana indray eo anivon’ny oniversiten’ i Barikadimy, hoy ny mpianatra sy ny mampianatra mpikaroka.
Sajo