Firenena 58 no efa nampiditra ny tenin’ny tanana ho isan’ny teny Ofisialy ao aminy ka azo ampiasaina amin’ny raharaham-panjakana ary misoratra anatin’ny Lalampanorenana. Ireo firenena mandroso no tena miroso amin’izany ka ahitana firenena afrikana ihany koa toa an’i Kenya. “Eto Madagasikara, mbola tsy misy fepetra manery ny fanjakana na ny sehatra tsy miankina hampiasa mpandika teny ho an’ny olona marenina na voizina mafy aza ny resaka fampiatiana (inclusion), amin’izao fotoana izao.”, hoy ny filoha vaovaon’ny fikambanan’ny mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana, Randrianarivelo Fidy Manantsoa.
Novelomina indray ny fikambanana ary narahina fanatevenam-pahalalana izany, ny herinandro lasa teo, nandritra ny roa andro, teto Antananarivo. Narindra ny fomba fiasa ary tsy miasa tsirairay intsony fa amin’ny anaran’ny fikambanana, izay lasa misehatra toy ny « Agence de service d’interprétation et de traduction ». Nasiana fenitra eo amin’ny fomba fiantsoana mpandika teny ary napetraka ny tambin-karama farany ambany azo ekena. Nolaniana ihany koa ny birao vaovao hitantana ny fikambanana. Randrianarivelo Fidy Manantsoa no lany filoha hitantana izany mandritra ny efatra taona manaraka. Fantatra tamin’ny fandikany teny tao amin’ny fahitalavi-pirenena ary koa isan’ireo nisitraka ny fiofanana fahaiza-mitarika, Yali MWF2022, tany amin’ny Oniversiten’i Delaware, Etazonia ,sady nanaraka fizarana asa tany amin’ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana tany Colorado izy.
Tsy izay rehetra mahay na mahafehy tenin’ny tanana dia afaka mandika teny, indrindra raha sehatra matihanina. Mila ianarana manokana ny teknika fandikan-teny (mandika ny feo ho lasa fihetsika, mandika fihetsika ho lasa feo). Misy fenitra arahina ahazoana ny kalitao ary indrindra misy ny fitsipi-pitondrantena na « etika ». Mampiavaka ny asa, izay mamaritra hatramin’ny fitafin’ny mpandika teny. Amin’ny maha mpampifandray kolontsaina ny mpandika teny, mila milona ao amin’ny tontolon’ny marenina izy hitrandrahany ireo voambolana ilainy amin’ny asany. Mila fanatevenam-pahalalàna tsy an-kiato, araka izany.
Novoriana avokoa ireo mpandika teny manerana ny Nosy ary tonga nanatrika ny fivoriambe avokoa ny andiany rehetra (1998 – 2007 – 2009 – 2019).
Vonjy A.