Seho tsy nisy vidim-pidirana, saingy seho tena matihanina. Izay no azo hamaritana ny “Noely Fihobiana”, notontosaina ny zoma tolakandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Nanjakan’ny firaisankina tanteraka, satria izay tokoa no tanjon’ny Sampana Tanora Kristianina (STK) foibe avy eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), tamin’ity hetsika ity. Teo ihany ny maha fampisehoana mantsy, fa ny zava-dehibe dia ny fiaraha-mientana sy ny fanehoana ny firaisankina, satria natao hanangonam-bola hamitana ny trano fiangonana FJKM any Bemahatazana ny fotoana.
Taorian’ny fotoam-bavaka nenti-nanomboka ny seho, nifandimby niaka-tsehatra ireo antoko mpihira isan-tokony. Nanao hira roa avy ireo antoko mpihira nasaina, izay nanodidina ny fankalazana ny Noely avokoa. Nandimby azy ireo kosa ny orikesitra sy ny antoko mpihiran’ny STK.
Anisan’ny tena fotoana nafana indrindra ny tapany faharoa, izay nandraisan’ireo mpanakanto malaza anjara. Nisy ireo fampiaraham-peo tsy nampozina, toy ny niarahan’i Bodo sy i Laurent Rakotomamonjy, tao anatin’ilay hira “Amorony fo madio”. Hira fiderana fanta-daza avokoa ny nalahatry ry Henri Ratsimbazafy, Rija Ramanantoanina, Rojo Ny Avo, Luc, Mahery, Bodo ary Laurent Rakotomamonjy nandritra izany.
Zo ny Aina