Tafakatra 18 ireo jiolahy matin’ny polisy ho an’ny tao an-drenivohitr’i Toamasina nandritra ny taona 2022.
Nitrangana fanafihana nitam-piadiana ka nahaverezana vola mitentina 2 400 000 Ar sy moto roa tao Androranga, ny 22 desambra teo. Tsikaritry ny manodidina ireo olon-dratsy. Nanatona ny manam-pahefana nanao fitarainana koa ireo niharam-boina. Naharay loharanom-baovao avy tamina tsara sitrapo ny FIP mahakasika ireo nahavanon-doza. Nidina ifotony tamin’izany ireto farany. Vokany, sarona tao amin’ny depot ny roa tamin’ireo jiolahy. Noraisim-potsiny tao Androranga kosa ny mianadahy namany hafa. Raha tsiahivina, mitotaly 13 ireo jiolahy lavon’ny Fip hatramin’ ny 24 desambra teo. Tafakatra 18 izany, ho an’ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny polisy. Marihina fa anisan’ny toerana nanjakan’ny fanafihana mitam-piadiana ny tao an-drenivohitr’i Toamasina volana vitsy lasa. Tsy nilefitra tamin’ireo nahavanon-doza ny polisy fa nanao izay ho afany tamin’ny fanatrarana sy ny fisamborana azy ireo.
Sajo/Tsiferana R.