Tsy fandriampahalemana: mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona, teny Ankeniheny, ny zoma, teo noho ny halatra nataony. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tratra ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tonga ara-potoana anefa ny polisim-pirenena ka voasoroka izany. Vokany, natolotra ireo mpitandro filaminana ny tenany hanohizana ny famotorana. Ankoatra ity, jiolahy iray koa no tratra teo ampanaovana ny fomba ratsiny teny amin’ny fiantsonan’ny taksibe Ankatso ny andron’io ihany. Nanao sinto-mahery teny an-toerana ny lehilahy ka nifanehitra tamin’ireo polisy mpanao fisafoana. Mbola niezaka nandositra ity olon-dratsy ity saingy noraisim-potsiny ka tsy tafatsoaka intsony. Taorian’io noentina teny amin’ny kaomisaria etsy Ambohijatovo izy nanokafana fanadihadiana. Mbola isan’ireo saron’ny polisy ihany koa ny lehilahy iray naman’ireo namaky fasana tao amin’ny tanànan’Ambatofotafa sy Ambalabengy ao amin’ny fokontany Premier quartier, kaominina ambonivohitr’Ambato-Boeny, ny 12 desambra teo. Maro ny zavatra lasan’ireo olon-dratsy ka isan’izany ny firavaka volamena iray. Ny alin’ny 23 desambra teo, nanao fisafoana ireo polisy ka nisava ireo mpandalo rehetra. Hafahafa anefa ny fihetsik’ilay lehilahy iray ka nosavaina avy hatrany. Araka izany, hita teny aminy ny rojo volamena mitovy tsy misy valaka amin’ilay voaroba tao am-pasana. Taorian’io, noentina teny amin’ny biraon’ny polisy izy. Mbola tohizana kosa ny hetsika fisavana sy fisafoana ao an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: