Marihina isaky ny 1 janoary ny andro maneran-tany ho an’ny fiadanana. Manoloana izany, manafatra ireo filoham-panjakana sy governemanta, ireo tompon’andraikitr’ireo fikambanana iraisam-pirenena, mpitarika antokom-pivavahana isan-tsokajiny ny papa Fransoa
Nambarany tamin’izany fa tokony hojerentsika indray ny momba ny fiantohana ny fahasalamam-bahoana ho an’ny daholobe. Ampirisihana ireo hetsika rehetra ho an’ny fiadanana mba hampitsaharana ny fifandirana sy ny ady, mamotika olona maro be sy miteraka
fahantrana…Ny tokony hikolokoloana ny tranobe iombonantsika sy ny hametrahana paikady mazava sy mahomby iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. “Aoka isika hiady
amin’ny otrikaretin’ny tsy fitoviana ary hiantoka ny fanjarian-tsakafo sy ny fananana asa
mahavelona ho an’ny rehetra, amin’ny fanohanana ireo rehetra tsy mandray karama farany
ambany sy anaty fahasahiranana. Mandratra antsika ny mahita ny vahoaka noana“, hoy izy. Nanteriny fa tokony hatsaraintsika, miaraka amin’ny politika mifanaraka amin’izany, ny fandraisana sy ny fampidirana ao anaty fiaraha-monina ny olona, indrindra fa ireo mpifindra monina sy ireo ailiky ny fiaraha-monina.
Fanasitranana ny fiaraha-monina
Nambarany koa fa tsy azontsika hatao intsony ny hihevitra ny tombontsoantsika manokana fotsiny na ny an’ny firenentsika fotsiny. Tsy maintsy hihevitra noho ny soa iombonana, miaraka amin’ny fisainana hoe “miara-monina”, izany hoe “isika” misokatra amin’ny firahalahiana iraisam-pirenena, araka ny nambarany hatrany. Tsy azontsika atao intsony koa ny hanohy hiaro ny tenantsika samirery fotsiny. “Fotoana izao handraisantsika andraikitra mba hanasitranana ny fiaraha-monina sy ny planeta misy antsika, amin’ny fananganana tontolo tena marina sy miadana, mifantoka tanteraka amin’ny fandalana ny soa iombonana tena izy“, hoy izy.
Notsiahiviny tamin’izany ny nandalovana tamin’ny Covid-19 sy ny niainan’ny maneran-tany izany. Tsy nijanona teo anefa fa eo koa ny ady any Ukraine. Notsindriny fa loza mahatsiravina vaovao namely ny olombelona ny ady. “Ady hafa indray, azo
ampitahaina amin’ny Covid 19 saingy vokatry ny safidin’olombelona diso. Mamono tsy
manan-tsiny maro ary vao mainka aza manely ny tebiteby, tsy ho an’ireo
voakasika mivantana ihany fa ho an’izao tontolo izao tsy misy avakavaka“, hoy ny papa Fransosa. Anisan’izany ireo mijaly sy mijinja ny vokatry ny ady. Nanteriny fa nahitana vaksiny ny Covid 19. “Tsy mbola nahitana vahaolana sahaza azy kosa
ny ady. Sarotra resena noho ny aretina mamely ny vatan’olombelona ny otrikaretin’ny ady. Tsy avy ety ivelany izy fa avy ao anaty, avy amin’ny fon’olombelona, simban’ny fahotana“, hoy ihany izy.
Lasa poizina ny teknolojia
Etsy andaniny, nambaranny fa nianarantsika koa ny fitokisana tamin’ny fandrosoana, ny teknôlôjia sy ireo vokatry ny fanatontoloana. Tafahoatra izany ary niova ho poizina ho an’ny tsirairay mihitsy. Lasa sampy manohintohina ny fahazoana ny rariny, ny fihavanana ary ny fiadanana irina. Mazàna manome vahana ny fikorontanana sy ny fifandirana, ary miteraka herisetra sy ady eo amin’ny tontolo mirotoroto misy antsika ny olana vokatry ny tsy fifandanjana, ny tsy fisian’ny rariny, ny fahantrana sy ny fanilihana, araka ny nambarany.
Na eo aza izany, niantso ny rehetra tsy hatoritory ny papa Fransoa. Tsy tokony ho voafatotry ny tahotra, fahoriana na ny fandosirana andraikitra, tsy ho varimbariana, tsy ho kivy, fa ho toy ny mpiambina kosa ka afaka miari-tory ary mitsena voalohany ny tara-pahazavan’ny maraina indrindra amin’ireo ora maizina indrindra.
Synèse R.