Asa fanaovan-gazety: nodimandry i Marc Razafimaharo


Nampahafantatra ny fianakaviany fa nodimandry, omaly, Razafimaharo Marc Rivoson. Mpanao gazety, mpanolotra vaovao nandritra ny taona maro tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy (RNM) izy. Ny fanolorana ny vaovao amin’ny 12 ora sy sasany atoandro no tena nahatsiarovan’ny maro azy. Nialoha izay, efa niasa tao amin’ny gazety Atrika izy. Anisan’ireo niara-niasa tamin-dry Daniel Andriamaharo sy ry Ruffin Rakotomaharo i Marc Razafimaharo.

Partager sur: