Atsimo Andrefana: nahatratra 417.300 ha ny doro tanety ny 2021

Mihena tsikelikely ! Araka ny antontanisa avy any amin’ny Foibe fitantanana ny afo sy ny fambolen-kazo (COGIFR), nahatratra 417.300,88 ha ny velarantany main’ny afo tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ny taona 2021. Nihena izany raha oharina ny taona 2016, izay nahatratra 797.947,68 ha, izany hoe nahitana fihenana 36%. Mbola voasokajy ho anisan’ny faritra tena mena ny any Atsimo Andrefana.

Miaka-midina izany antontanisa izany, ka nidina ho 591.494 ha ny taona 2016 ny velarantany sy ala may, ary niakatra ho 678.931 ha indray izany ny taona 2018.  Nihena ho 568.911 ha indray ny taona 2019, niakatra 647.976 ha ny 2020 ary izao nidina ho 417.000 ha izao ny taona 2021.

Njaka A.

Partager sur: