Eoropa sy Etazonia: tsy mitsaha-midina ny vidin’ny solika

Tsy mitsaha-midina ny vidin’ny lasantsy sy gazoala any Eoropa, indrindra nanomboka tamin’ny volana oktobra tamin’ity taona ity. Misy tsy miova ihany anefa ny vidiny noho ny tamberim-bidy alain’ny fanjakana sasany, nefa na izany aza azo hiafiana ihany ny vidiny. Na izany koa aza, tsy mitovy daholo ny vidin’ny solika na ao anatin’ny firenena iray fa samy manao izay ahitany tombony ireo kaompania mpivarotra. Any Eoropa Avaratra ohatra, maherin’ny 2 euros ny litatra, 2,13 any Finlande, na 2,15 any Suède. Any Frantsa kosa manodidina ny 1,7 na 1,8 euro amin’ny ankapobeny.

Toy izany koa ny any Etazonia nanomboka ny volana jiona, izay lazaina fa mety tsara ho an’ny filoha Joe Biden, saingy mampihemotra kely ny toekarena. 1,32 dolara eo ho eo ny litatra . Na izany aza, mihena ny tinady, satria tsy misy ny fivoahana firy any Etazonia noho ny hatsiaka be loatra. Latsaky ny 40 % izany fandehanana izany raha oharina tamin’ny herintaona.

Araka ny fahitan’ireo mpanaraka ny vidin-tsolika kosa, amin’ny ankapobeny, hatramin’ny niharenan’ny toekarena, taorian’ny Covid, sy ny ady any Ukraine, mety hiakatra ny vidin’ny lasantsy sy gazoala manomboka amin’ny 2023 any Eoropa.

Ndrina

Partager sur: