Fanisana mpifidy: tsy ampy ny fanentanana eny ifotony

“Amin’ny ankapobeny, mavitrika amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena. Na izany eo, raha ny marina: eo koa ny tsy fahampian’ny fanentanana”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël, ny amin’ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana amin’izao. Mandeha tsara amin’ny ankapobeny ny fanisana mpifidy any amin’ny distrikan’i Marolambo, faritra Atsinanana, ohatra, na nisy fahatarana aza izany tamin’ny fanombohana. Amin’izao, any amin’ny 35% ny taham-pahavitrihana amin’ny fisoratana anarana.

Iray volana sy tapany teo vao tena nanomboka ny fisoratana anarana vokatr’izay fahatarana izay noho ny distrikan’i Marolambo mitoka-monina, fa lavitra sady saro-dalana. Teo koa ny olana amin’ny famokarana herinaratra izay marihina fa nisy nandoro talohan’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra ny milina. Na izany aza, efa mivoatra be ny fanisana mpifidy any an-toerana amin’izao. Vao mainka mahatsara izany ny fanalavana ny fe-potoana fanisana mpifidy ho hatramin’ny 31 janoary 2023. 

Manana adidy aman’andraikitra ny rehetra

Be dia be koa ny miala maraina ao an-trano, alina vao mody. Ezahina ny fanentanana azy ireo. Misy filazana mialoha iarahana amin’ny lehiben’ny fokontany, izay mpikambana ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), ny fotoana hiavian’ny mpanisa mpifidy. Amin’izay, mba miezaka mijanona ao an-trano ny olona.

Ny olana, asa na noho ny tahotra na inona? Mandositra ny olona rehefa hoe mampiseho karapanondro. Na izany aza, misy hatrany ny fanazavana sy fandresen-dahatra, izay iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Atitany, indrindra amin’ny fanentanana ny olom-pirenena ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ankoatra izay, nisy koa ny fihaonan’ny avy amin’ny Ceni foibe tamin’ireo antoko politika any an-toerana, ny firaisa-monina sivily, ny olobe… Adidy aman’andraikitra iombonana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

Ankoatra izay, mila jeren’ny tomponandraiki-panjakana izay tena tokony ho atao laharam-pahamehana amin’ny fanamboaran-dalana.

R.Nd.

Partager sur: