Tsy mbola milamina? Na tsy amin’ny serasera sy ny fifandraisana… Na nifarana aza ny fivoriana ara-potoana faharoa, misy ny depiote nilaza hangataka ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana ny amin’ny fitantanam-bola eny anivon’ny Antenimierampirenena. “Izahay aloha dia hangataka an’izay fivoriana tsy ara-potoana izay, ary tsy maintsy tonga amin’ny fifampiresahana”, hoy ny depiote Rakotoarisoa Rija Rasoava.
Tsikera ara-dalàna izany. Tamin’ny 36 miliara Ar ny tetibolan’ny Antenimiera, niadina, ohatra, ny tombondahiny tokony ho azon’ny depiote. Misy ihany ny azo tamin’izany, ary misy ihany no tonga taminay depiote. Lasa 79 miliara Ar izany. Raha ry zareo manokana, tsy mahafantatra ny tantaran’izay elanelana fanekena fangatahana tetibola tamin’ny governemanta izay. Nefa vao mainka toy ny mijaly ny depiote.
Amin’ny ankapobeny izay fiakaran’ny tetibola izay, fa rehefa tonga amin’ny antsipiriany dia lasa manjavozavo. “Tsy maintsy mipetraka ny fanontaniana ny amin’izany”, hoy izy. Na eo amin’ny samy depiote aza: inona ny zava-misy? Na tsy misy aza ny fitsirihana amin’izany.
Tantara tsy vita…
Tsiahivina fa efa nasian’ny kestora, ny depiote Jean-Michel Henri, fanazavana taorian’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana, ny fitantanam-bola taona 2022. Nilaza izy fa hanao tatitra ny amin’izany amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany, taona 2023. Niangaviana ho tonga amin’izany ny depiote, na tsy izy ireo aza no tsy tokony hanaovany tatitra fa amin’ny vaomieran’ny fitantanam-bola. Hitohy hatramin’ny taona ho avy izany ny raharaha?
R.Nd.