GERP: tsy mihatra ny sazy amin’ny fangalarana gidro

Arovan’ny Gerp, tarihin’ny Pr Ratsimbazafy Jonah sy ny ekipa miaraka aminy, ny gidro any Sambava, Avaratr’i Madagasikara. Voaaro ara-dalàna izy ireo, azo lazaina « manara-penitra » ny fiarovana ireo varika ireo ka tsy voahaza, tsy voasambotra. Karazana gidro samihafa izy ireo, Eulemur coronatus mahasintona mpizahatany sy mpanao fikarohana siantifika maro. Misy 46 tamin’ireo karazan-gidro ireo no tojo ka iray ihany no velona. Faritra arovana ao Loky Manambato no saika hisamborana azy ireo ary hamidy any Sambava sy Vohémar.

Milaza ny Gerp fa tsy iharan’ny sazy ny sasany manao izany , nefa araka ny lalàna ny « fananana, fividianana, famarotana, raharaham-barotra, na fampiasana azy ireny ahazoana tombony , dia mety iharan’ny sazy enim-bolana hatramin’ny roa taona an-tranomaizina sy handoavana onitra 10 000 000 Ar hatramin’ny 50 000 000 Ar », Ary raha ao anatin’ny faritra arovana ny akana ny biby rehetra, mety mampigadra 5 hatramin’ny 10 taona sy handoavana onitra 100 tapitrisa hatramin’ny 2 miliara Ar. Noho ireo lalàna ireo voasokajin’ny UICN* isan’ny biby mila arovana ny gidro. Mbola  sarotra anefa ny fampiharana izany eto Madagasikara noho ny kolikoly.

Ndrina

Partager sur: