Hafatra Noely: miantso fandinihan-tena tsy hifampihantsiana ny FFKM

“Mitarika antsika handini-tena ao anatin’ny fanetren-tena ny Filazantsaran’ny famonjena, ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin’ny fahalovana sy ny ratsy fanao”, hoy ny hafatry ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), noho ny fahatongavan’ny Noely 2022. Niaingan’ny fanambaran’izy ireo ny hoe: “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray.” (Jer 1:10). Manao sonia izany ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona (E.E.M).

“Ny Fanahy Masina anie hanavao sy hanangana antsika zanak’Andriamanitra dia ho haintsika ny manova ny tontolom-piainantsika hanafaka antsika amin’ny kolontsain’ny fako sy ny fahafatesana, ary hanaja ny tontolo iainana ka hahay hifampitsinjo sy hazoto amin’ny asa tsara rehetra”, hoy ireo filoham-piangonana efatra.

Efa mihatra amin’ny akalana ny fahantrana

Hafaliana ho an’ny olona ny Noely, satria fankalazana ny famonjena azy. Toa hafaliana tsy mety tonga lafatra nefa izany, vokatry ny savorovorom-piainana, ny fahantrana efa mihatra amin’ny akalana, miofy akondro vava ny ankamaroan’ny Malagasy. Simba ny tontolo iainana hany ka manjavozavo ny hoavy, toa mifanipaka toy ny valala ankarona ny mpiray tanindrazana, very ny soatoavina malagasy. Ny fahantrana ara-tsaina sy ara-materialy, indrindra ny ara-panahy, no anton’izany rehetra izany.

Irarian’ny FFKM ny mba hiainan’ny rehetra ny fiadanana avy amin’ny Krismasy. “Mandiniha tena ary aoka hibebaka amin’ireo fahotana izay mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, mifamelà heloka, mihavanà amin’ny olona rehetra anatin’ny fiaiken-keloka, ny fibebahana, ny fahamarinana, ny fihavanana. Aoka tsy ho mpihaino fotsiny isika, fa tena iainana ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny hafatra, itsofan’ireo filoham-piangonana rano ho feno fitahiana sy irariany soa ny rehetra hahatratra ny taona vaovao.

R.Nd.

Partager sur: