Hitohy ny fankalazana… Ho tsangambaton’ny faha-55 taonan’ny TVM ny “Havoria”

Feno 55 taona tamin’ny asabotsy lasa teo ny Televiziona Malagasy (TVM). Fanombohana ny fankalazana ihany iny, fa ny fitokanana ny “Havoria” no ho ivony, amin’io taona hitsidika io.

55 taona, nanamarika vanim-potoana maro. Mpandray anjara feno tamin’ny tantaram-pirenena ihany koa ny Televiziona Malagasy, nandritra izay fotoana izay. Niavaka ny fanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo, satria maromaro ireo fandaharana manokana nahitana indray ireo endrika vitsivitsy nanamarika izany TVM izany. Nahafaly ny mpijery fahitalavitra indray ny nahita an-dry Lucette Botralahy teo amin’ny fanolorana ny fandaharana nandritra ny tontolo andro. Teo koa ry Bruno Razafindrakoto, Jacquot Raholdina, Gisèle Rakotoarivony, Jean-Aimé Rambeloson, Jean-Claude Andrianaivo, Harrison Ratovondrahona, Fidisoa Andriamasiarivelo, Zo Raharivony, ary Jean Louis Rafidy. Nanampy azyireo ireo mpanakanto toa an’i Tselonina sy i Mirado izay efa nandray anjara tamina fandaharana tamin’ny fahazazany. Tsikaritra koa Ra-Vince, izay niverina nanolotra ny mety ho toetry ny andro.
Maromaro ny fandaharam-potoana hanamarihana ity faha-55 taonan’ny TVM ity. Ny tena ivon’ny fankalazana izay handrasan’ny rehetra anefa, dia ny fitokanana ny “Havoria”, izay ho “auditorium” lehibe hoan’ny haino aman-jerim-panjakana. Miaraka amin’io fotodrafitrasa ao Anosy io ihany koa ny “Musée de l’audiovisuel”, izay sambany hisy eto amintsika. Efa anatin’ny dingana famaranana ny asa amin’ity fotodrafitrasa ity, ka vinavinaina ho vita tantetaka any amin’ny volana marsa na avrily any izany.  Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo tetikasa novolavolain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miainga amin’ny « Nouveaux Projets Emergents » (NPE), izay tsy maintsy ataon’ny departemanta ministerialy rehetra, ny fananganana ny “Havoria”. Tanjona amin’ny fananana fotodrafitrasa tahaka izao ny fisian’ny toerana hitehirizana ireo harem-bakoky ny haino aman-jery, ny fananana ihany koa toerana manana tao-trano kanto sy manaraka ny fenitra takiana amin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: