MATSF-MTP: fokontany maitso efatra mendrika

Nanatanteraka fifaninanana mikasika ny fokontany maitso ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany niaraka tamin’ny minisiteran’ny Asa vaventy nanomboka ny volana aogositra teo. Fokontany efatra tamin’ireo 11 nandray anjara no hita nisongadina ka nomena  mari-pankasitrahana, omaly. Anisan’izany ny fokontanin’Amoronankona, Soamanandrariny, Amboditsiry ary Ambohimahitsy. Tanjona ny hanaovan’izy ireo ezaka amin’ny fahadiovan’ny tanàna iadidiany ary hanao fambolen-kazo mahomby hahatonga ny tanàna ho maitso.

Nahatratra 250 ireo zanakazo nozaraina nahafahana nanampy ireo fokontany mpandray anjara. Nozaraina niaraka tamin’ny fitaovana entina manadio izany ho fikojakojana ny eny amin’ny fiarahamonina mba haha te-honina.

Nandritra ny roa volana nanaovana ny fifaninanana, nanara-maso akaiky ny tompon’andraikitra nijery ny fivoaran’ny tanàna. Notsaraina tamin’ny fahadiovan’ny tanàna sy ny fikoloana ny zanakazo ireo fokontany nandritra ny fifaninanana.

Notolorana fitaovana informatika nahitana ordinatera sy “imprimante” ary fitaovana enti-miasa ao amin’ny biraon’ny fokontany, araka izany, ireo mendrika. Nomena ny mari-pankasitrahana avokoa ireo fokontany 11 nandray anjara ho fampaherezana hanohy ny ezaka.

Tatiana A

Partager sur: