Mirongatra ny valanaretina: hentitra ny fanajana fepetra any amin’ny hopitaly

Olona tokana ihany no afaka miandry marary eny amin’ny hopitaly, voafetra ny isan’ny mpamangy… Tsy maintsy mipetaka ny arovava orona. Hentitra ny fanajana ny fepetra rehetra hisorohana ny fifindran’ny valan’aretina amin’ny marary sy ny manodidina.

Nohamafisina ny fifampifehezana napetraka eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana mikarakara marary. Nohavaozina ny peta-drindrina mampilaza izany. Natao izany ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina izay hita ho miha betsaka indray amin’izao fotoana.

Hentitra, araka izany, ireo tompon’andraikitra eny amin’ny hopitaly fa mpiandry marary tokana ihany no afaka mijanona miaraka amin’ny marary. Io no misahana ny fikarakarana rehetra. Raha ny tokony ho izy, tsy tokony hisolosolo izany mba ho fiarovana ny marary sy ny manodidina azy. Tsy handeferana ny tsy fanaovana arovava orona vao miditra eo amin’ny vavahadin’ny hopitaly.

Mampitaraina ny fianakaviana manana marary ihany ity fepetra ity satria tsy vitan’olon-tokana ny fikarakara marary eny amin’ny hopitalim-panjakana indrindra indrindra. Sahanina ny fanenjehana fividianana fanafody, ny fanomezana izany ny marary izay mila arahi-maso tsara sy manaraka lera mihitsy ho an’ny sasany., ny fanomezana sakafo, ny fanatazana ny maloto sy ny fanariana izany, ny fiantsoana dokotera maika any amin’ny efitra hafa….

Matetika ny fivezivezena ilana ny mpiandry marary amin’ny fividianana fanafody, mila ho isaky ny ora iray. Tsy misy miambina ny marary raha tokana ny mpiambina. Matetika koa tsy hita ao amin’ny fivarotam-panafodin’ny hopitaly ny fanafody asain’ny dokotera vidiana ka tsy maintsy mivoaka mandeha alavitra mitady.

Amin’izao vanim-potoan’ny orana izao, mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpiandry marary hafa izay tsy maintsy miandry ny iraka tsy maintsy hatao any ivelany (fividianana fanafody, sakafo, fanaovana ny karazana fitiliana,  kojakoja ilaina tampoka…) satria tsy misy fialofana manokana ho azy ireo. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana na atoandro na alina amin’ny fitondrana entana sy ny fivezivezena mitety farmasia.

Tatiana A

Partager sur: