Anisan’ny nirary soa ho an’ny vahoaka malagasy indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina amin’izao fetin’ny Noely izao. Nanamafy izany koa ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. “Mirary fahasambarana sy fiadanana ho antsika tsirairay avy izahay mianakavy kely amin’izao ankalazantsika kristianina ny andro nahaterahan’i Jesoa izao. Enga anie ity andro lehibe eo amin’ny fiainan’ny kristianina ity, hitondra fifaliana sy fahasoavana ho an’ny isan-tokatrano“, hoy izy.
Nampita hafatra koa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc ary nilaza fa mitondra am-bavaka ny Malagasy rehetra amin’ izao Noely izao. “Arahabaina isika rehetra tratry ny krismasy 2022 », hoy izy. Nisafidy ny hivavaka ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy any amin’ny rindrin’ny fitomaniana any Jerosalema kosa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ny fianakaviany.