Maty teo noho eo ny mpandeha an-tongotra iray voahosin’ny fiara tao Ranomafana, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Nitondra mpizahatany enina, tsy nanampo na inona na inona ny mpamily. Araka ny nambaran’ny olona teo amin’ny manodidina, efa mamo hatramin’ny atoandro ilay lehilahy voahitsaka. Tsy niala teo izy nandritra ny tontolo andro fa natory teo amoron’ny arabe. Avy tampoka nefa ny orana rehefa hariva. Tapaka ny jiro. “Nifoha tamin’ny torimasony nandritra io fahatapahan-jiro io ilay lehilahy natory teo amin’ny arabe io”, araka ny nambaran’ny nanatri-maso. Nandalo tampoka anefa ity fiara nitondra mpizahatany. Kinanjo, voafaoka tampoka ilay rangahy avy natory teo amin’ny arabe ka maty. Notanana natao fanadihadiana tao Ranomafana ny mpamily. Naverin’ny mpitandro filaminana nihazo ny trano fandraisam-bahiny nivahinianany kosa ireo mpizahatany enina. Nafindra tany amin’ny borigadin’Ifanadiana ilay mpamily taorian’io hiarovana azy amin’ny hatezeran’ny fokonolona teo amin’ny manodidina.
Iray hafa nodomin’ny 4×4
Fiara mpitondra mpizahatany iray hafa koa nandona olona tao Ambalamanasa, fokontany Andranomainty, kaominina ambonivohitra sy distrika Manakara ny andron’ny Krismasy teo. Naratra mafy izy mianaka voadona ka nentina notsaboina ao amin’ny CHRR Manakara. Mamo ilay mpitondra fiara ka nifaoka ireto mpianaka nandeha an-tongotra, raha ny vaovao voaray .
Tsiferana R.