Ambohidratrimo : ady tany nivadika halatra akoho, lehilahy iray voasambotra

Manao antso amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny firenena, indrindra fa ny Sekre­teram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jly Serge Gellé ny fianakavian’ilay lehilahy voarohirohy tamina raharaha halatra akoho nifangaro ady tany, tao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambo­hi­­dra­­trimo. Araka ny fanazavan-dRakotoniaina Hanitra Evah, mpandraharaha eny Ma­­dera Namontana, nisolo tena ny fianakavian’ilay voampanga, ny 24 hifoha 25 desambra 2022 no nitranga ny raharaha. Halatra akoho no niantombohan’izany ka ni­fan­garo resaka ady tany. Tra­tra ny olona iray nangalatra ako­ho ka noterena hanondro ilay voampanga ity mpangalatra ity. Ho tambin’izay, avotsotra izy. Tonga ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe niaraka tamina sivily iray hi­sambotra azy ny alin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa sady nidaroka ihany koa izy ireo, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpitory amin’izao raharaha izao. No­fa­torana sy nampadoalihana izy sady narahina vono sy da­roka. Naratra vokatr’izany ity niharam-boina ity ka teo no niteraka fitarainana sy alahelo nataon’ireo fianakaviana. Ma­nahy ny fianakaviana fa misy fiarovana tombontsoan’olom-bitsy ataon’ireo olona manampatra fahefana ireo satria mitohy hatrany ny fa­naovana taratasin’omby tsy ara-dalàna ataon’izy ireo. “Tsy tokony hatao toy ireny ny olona hanaovana famotorana kanefa halatra akoho dia niafara tamin’ny famonoana olona toy izao. Notambatam­bazana ilay olona nangalatra akoho hiteny sy hanondro ilay havanay”, hoy hatrany ny solontenan’ny fianakaviana.

J.C

Partager sur: