Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Manerinerina ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, ny asabotsy alina lasa teo.
Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambondromamy tamin’io fotoana io ka isan’ny tompon’antoka tamin’izany ity dahalo ity. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny moto niaraka tamin’ireo entana sarobidy samihafa tao amina tranona raim-pianakaviana iray. Ny ampitson’io (25 desambra 2022), tratra ny dahalo iray isan’ireo nanafika tao amin’ilay tokantrano. Nanondro ny namany mpiray tsikombakomba aminy izy nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary. Afakomaly, nentin’ny zandary ilay dahalo hanoro ny toerana fieren’ireo mpiara-manao fanafihana aminy. Nitsoaka tampoka nefa izy teny an-dalana. Vokany, tsy maintsy nitifitra ny zandary rehefa avy nanao fampitandremana azy. Efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo entana halatra rehetra nangalarin’ireto dahalo ireto. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C