Nodimandry ny 25 desambra 2022, tao amin’ny trano fonenany tao Eure ao Normandie Frantsa, teo amin’ny faha 70 taonany i Françoise Bourdin . Isan’ny mpanoratra Frantsay nanana ny naha izy azy. Ny fanoratana asa soratra miresaka ny fitiavana ny tena nanahafantarana azy. Asa sorany nivoaka farany ny “Un si bel horizon”, izay vao nivoaka tamin’ity taona ity. Boky navoakany farany kosa ny “Face à la mer” sy ny “Les Choix des autres”, ny taona 2016 sy 2017. Asa soratra aman’apitrisany, Boky manodidina ny 50 isa no nahitam-pahombiazana tamin’ny navoakany. Mpanoratra isan’ny be mpankafy manerantany izy, indrindra ao Frantsa. Nahazo ny laharana faha-6 izy amin’ny mpanoratra be mpamaky indrindra ny asa sorany ary be mpividy indrindra ny boky nosoratany ny taona 2016. Fanasokajina nataon’ny gazety frantsay iray.
Teraka ny taona 1952, tao Paris Frantsa i Françoise Bourdin. Zanaka olona mpihira amin’ireny “Opera” ireny izy. Mijery ny ray aman-dreniny eny ambony sehatra no nandaniany ny fahazazany. Lina tamin’ny famakina boky anefa izy teo amin’ny fahatanorany. Tamin’izany no nihaonany tamina mpanoratra malaza, tamin’izany andro izany ary nahalasa mpanoratra misongadina azy.
Lin (mpianatra asa)