Nahatsiaro manokana ireo vehivavy voafonja ao Antanimora ny CUA, tarihin’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ny Aumonerie Samaritana Tsara Fanahy. Tafiditra amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izany hetsika izany.
Toy ny fanaony isan-taona, amin’ny fijerena ny maha olona, resy lahatra ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, i Naina Andriantsitohaina mivady sy ny kaominina tantanany ka nahatsiaro ireo vehivavy voafonja ao amin’ny toby fanarenana Antanimora. Noho ny fahatrarana ny Krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona ary ho fitsenana ny taona vaovao 2023, nitondra sakafo ho an’ireo vehivavy miisa 580 beazina (voafonja), ny lefitra faharoa, nisolo tena azy. Omaly talata no nanatontosana izany, teny Antanimora ka notolorana vary 1 taonina, «pates, biscuits”, koba Aina sy kafe ary sakafo voatokana ho an’ireo ankizy miara-beazina amin’ny reniny, izy ireo.
Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin’ny fiangonana sy ny antoko politika Aumonerie Samaritana Tsara Fanahy (ASTF), tarihin’ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra, izy ity.
Notsiahivin’ny filohan’ny ASTF fa mahaleo tena ny fikambanana ary ny sehatra hiasan’izy ireo dia ny fanampiana sy fitsinjovana ary fiarovana ireo mahantra sy sahirana toa ireo voafonja sy ny marary tsy misy mpiahy. Nohararaotiny ny nisaotra ny Ben’ny tanàna, i Naina Andriantsitohaina, nanome ireo sakafo ho an’ny vehivavy voafonja ao Antanimora. Notsiahiviny fa santatra am-bavarano ihany izao fa hitohy amin’ireo sehatra hafa toy ny hopitaly, ny Akany fitaizana sy ny hafa.
Nampahatsiahy kosa ny tomponandraikitry ny fonja, ny kapiteny Lalaina fa tokony horaisin’ny fiarahamonina izy ireo rehefa nahavita ny saziny fa tsy ahilikilika. Nangataka kosa ny solontenan’ny voafonja mba hahazo fahafahana avy amin’ny filoham-pirenena, ho an’izay mendrika izany fa tsy fanalefahan-tsazy akory.
Torcelin