Fambolem-bary: tsy ampy rano amin’ny ankapobeny ny faritra maro

Manerana ny Nosy, saika mihinam-bary daholo ny olona nefa atahorana fa mihena hatrany ny tsy fahampiam-bokatra eto an-toerana. Miteraka sakana amin’ny fampandrosoana izany. Fanadihadiana

Atahorana ny mosary amin’ny taona 2023, satria tsy ampy betsaka ny voka-bary amin’ireo voalaza fa tena sompitr’i Madagasikara, Ambatondra­zaka sy Marovoay. Voalaza fa 10 % amin’ny tanimbary ihany ny voavoly vary any Alaotra noho ny tsy fahampian-drano ; toy izany koa ny any Marovoay, betsaka ny velaran-tany tsy mahazo rano, nefa 80 % amin’ny tanimbary, miankina amin’ny rotsak’orana avokoa. Tsy ampy rano amin’ny ankapobeny ny faritra maro manerana ny Nosy noho ny fiovan’ny toetr’andro. Koa miantso ny fitondrana ireo mpanao fikarohana, handrotsaka orana artifisialy.
Foto-tsakafon’ny Mala­gasy hatramin’izay ny vary, saingy misy olana hatrany. Tsy miova nefa ny fikarakarana manomboka eo amin’ny fambolena azy fa ny masonkarena sy ny vidiny midangana hatrany.
Miainga avy amin’ireo singa isan-karazany ny tokony handraisana fepetra hampitomboina ny voka-bary avy eto an-toerana, ka hampihena ny fanafarana, tsy hamoahana vola vahiny. Nandraisana fepetra momba izany, ohatra, ny SNDR*, politika fanatsarana ny fambolem-bary, 2016 hatramin’ny 2020. Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy fampitomboina ny fidiram-bolan’ny mpamboly. Ny ola­na, tsy ampy betsaka hatrany ny vokatra eto an-toerana.

Ndrina

SNDR* : Stratégie nationale de développement rizi­cole

Partager sur: